Fifamoivoizana

Madagascar Airlines Vizana, mikorontana, bokan-trosa,…


  • Talata 01 Aogositra 2023

Isan’ny kaompania mampimenomenona mafy ny mpanjifa ny Madagascar Airlines ankehitriny noho ny fikorontanana maro samihafa,

toy ny fanafoanana sy fihemoran’ny sidina tampoka, tsy fisian’ny fiaramanidina, fiovana kaompania, fahataran’ny entan’ny mpanjifa izay misy am-bolana,… araka ny fitarainana maro. Naneho fialan-tsiny eo anatrehan’ny lesoka samihafa ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana Rtoa Rinah Rakotomanga omaly, eo anatrehan’ny fahasosoran’ny mpanjifa. « Ialana tsiny Tompoko, ary ifonana ireo tsy nety sy tsy fahatomombanana isan-karazany. Diso izahay koa mangataka ny hamoram-ponareo, ary efa miezaka izahay hanarina ireo tsy mety rehetra mba hisorohana ny fiverenan’ny olana tahaka izay niseho izay. Miondrika ambany dia ambany eo anatrehanareo noho ny tsy fihetezana sy ny tranga isan-karazany niseho”, hoy Rtoa Rinah Rakotomanga tao amin’ny tambajotra Facebook. Nambara fa isan’ny olana ny tsy fahampian’ny fisorohana taorian’ny fiverenan’ny sidina, roa taona sy tapany taorian’ny fikatonan’ny sisin-tany. Lasa saro-tadiavina sy tsy dia ahitana ny fiaramanidina hofaina, ary lasa lafo be. Tsy manana fiaramanidina moa io Kaompania io, fa manofa, indrindra fa ho an’ny sidina iraisam-pirenena. Asa na kaompania no azo iantsoana izany na “Agence des voyages”? Asa aiza ho aiza ilay hoe: fiaramanidina hovidiana nampanantenain’ny Filoha? Nilaza ny hiezaka hifampiraharaha amin’ny kaompania hafa, ahafahana mamerina amin’ny laoniny ny fanatontosana ireo sidina. Ankoatra ny sidina iraisam-pirenena, voalaza fa tsy maintsy mandalo fitsirihana ara-teknika ihany koa ireo fiaramanidina ATR izay sarotra ny mitady ny piesy sasany eny amin’ny tsena. ATR telo no nambara fa manao ny sidina anatiny, ary mialohan’ny lalaon’ny Nosy dia afaka hiasa ny fahaefatra. Vizana sy rendrika tanteraka ny Kaompania an’habakabaka Malagasy, niainga tamin’ny tetezamita, nitohy tamin’izao, ka novonoina hatramin’ny Air Madagascar, saingy toa mbola miasa ihany io anarana io indraindray. Tsy manana fiaramanidina intsony, fa manofa sisa, ka heverina fa tsy fahatokisan’ny mpiara-miombon’antoka no isan’ny mahatonga io olana tsy dia ahazoana fiaramanidina io. Bokan-trosa tanteraka sahady ilay Madagascar Airlines satria ny volana septambra 2022, ohatra, dia nitaky hatrany amin’ny 862 264,98 Euros na 3,5 miliara Ar eo ny Air Austral satria tsy voafeha araka ny fifanarahana momba ny hofan’ny fiaramanidiny, ary voalaza tamin’izany fa tafakatra 16 tapitrisa euros ny trosa tambatra hofan’ny ATR miisa 5 izay ny 2 ihany no voalaza fa nandeha tamin’izany. Vao roa na telo volana indray izay no niparitaka ny dosie stratejika nilaza, fa mahatratra 34 tapitrisa euros eo ny trosan’ny Madagascar Airlines. Atao mahagaga ve raha izao ny zava-misy? Moa tsy taratry ny tsy fanjariam-pitantanana eto amin’ny firenena ny mahazo ny Jirama, CNaPS, Madagascar Airlines,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT