Fifamoivoizana

Madagascar Airlines Ny anarana no niova fa ny olana mitoetra


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Nisy fikorontanana ireo sidina anatin'ny Kaompania Madagascar Airlines ho an'ny omaly. Antony ny olana ara-teknika nahazo ny sidina MD 191 nampitohy an'Antananarivo sy La Réunion ny sabotsy 21 janoary teo.

Nilatsahan'ny varatra nandritra ny fipetrahany tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Roland Garros tao La Réunion mantsy io fiaramanidina iray io, ka nisy fahasimbana teknika ary tsy afaka niverina raha tsy ny alahady. Nikorontana noho izany ny sidina anatiny, ka nisy ny nofoanana ary tao ny naroso na niova ny ora niaingana. Nofoanana ny sidina Antananarivo-Morondava sy Morondava-Antananarivo. Tahaka izany ihany koa ny sidina Antananarivo-Fort_Dauphin sy Fort_Dauphin-Antananarivo. Miisa 7 eo kosa ireo sidina izay niova ny ora, izay saika ireo mampifandray an'Antananarivo sy ireo toera-pizahantany toa an'i Toamasina, Sainte Marie, Nosy Be, Mahajanga. Tsy ilaozan'olana fa toa azon-tsampona hatrany ity kaompiantsika ity. Niainga tany amin'ny naha banky ropitra ny Air Madagascar noho ny tsy fahaiza-mitantana. Ny anarana no niova fa ny olana toa misy foana. Vao ny 16 janoary teo nisy olana ara-teknika ny sidin'ny MD051 nampitohy an'i Charles de Gaulle France sy Antananarivo ka nofoanana, ary fa io fa misy olana hafa ihany koa herinandro monja aty aoriana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT