Madagascar Airlines

Noraisina ny sabotsy teo ilay ATR 72-500


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Noraisina ny alin’ny sabotsy teo ilay fiaramanidina ATR 72-500 hampiasain’ny Madagascar Airlines,

izay hiasa amin’ny herinandro ho avy. Ny fahazoana azy dia ahafahan'i Madagascar Airlines mampitombo ireo « flottes » izay hahatratra 6 ny isan'ny fiaramanidina hatramin'ny faran'ny taona, raha ny serasera. ATR 72 miisa 4 sy fiaramanidina roa fanampiny hofaina ho valin'ny filàna amin'ity vanim-potoana fety faran'ny taona ity. Araka ny nambaran'ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Toetr'andro, Valéry Ramonjavelo, « Ny fahatongavan'ny fiaramanidina ho avy izay entin'ny ekipazy Malagasy 100% dia mifanaraka amin'ny Politikan'ny Fitondrana, ho fanomezan-danja ny lafiny fahaiza-manaon’ireo Malagasy. Milaza moai o Minisitra io fa miaraka amin'ny fanohanana avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa amin'ny rehetra, dia hanana fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena lehibe amin’ny lafiny fizahantany sy ny fifandraisana nasionaly sy iraisam-pirenena io. Ho an'ny orinasa, ity fiaramanidina vaovao ity dia voalohany amin'ny andiany maro ho avy izay hitondra ny marika sy ny anaran'ny orinasa, ary tafiditra ao anatin'ny paikadin'ny fanavaozana sy ny drafi-pivelarana 2030 ho an'ny fanavaozana ny fiaramanidina. Na eo aza ny ambara fa ezaka, mbola lavitry ny laza sy ny lanjan’ny Air Madagascar tany amin’ny 20 taona lasa ny Kaompania Malagasy ankehitriny. Potika sy rotika ary banky ropitry ny tsy fahaiza-mitantana, ary niafarany aza dia novonoina tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao ny Air Madagascar, tsy manana fiaramanidina manao sidina lavitr’ezaka sy iraisam-pirenena intsony,… Mamotika sy mandrava hatrany aloha izay vao milaza hanarina ! Mitovy amin’ilay fitantanana Firenena ihany !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT