Madagascar Airlines

Efa tena ambavahaonan’ny fahafatesana


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Maneho ny ahiahiny amin’ny ho avin’ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka

Madagascar Airlines ny fivondronan’ireo mpanamory faramanidina ao aminy.Namoaka karazana fanambara sy fanehoan-kevitra zy ireo ny faran’ny herinandro teo milazalazala ny fahitan’izy ireo ny zava-misy.
DISO PAIKADY
Ao anatin’ny fotoana iainan’ny orinasa krizy ve hoy izy ireo dia toa misy endrika fisompanarana izany mbola ataon’ny mpitantana amin’ny fandrafetana ny paikady hanavotana ilay orinasa. Ny minisiteran’ny fitaterana no tiana ambara amin’ny hoe mpitantana eto. Efa hita fa sempotra izao ny Madagascar Airlines ; hoy ireto mpanamory ireto dia mbola maka kaompania vahiny ihany ve hisahana ny sidina anatiny eto Madagasikara. Mazava ho azy fa hanampy trotraka ny fahavoazana izany. Volana vitsivitsy lasa iizay dia naato ny sidina iraisam-pirenena, efa narary iny.Izao dia mbola handrimbinana indray ny tsena kely anatiny mba ananan’ny Madagascar Airlines.Manaitra ny vondron’ireo mpanamory fa tsy nanao ny asany araka ny tokony ho izy akory ireo mpitantanana izay karamaina volabe anefa. Etsy ankilan’izay amin’izao fidirana amin’ny vanim-potoana maha maro ny mpizahantany tonga eto Madagasikara izao no miato ny fampiasana fiaramanidina ATR 72-600 miisa roa , ny iray( 5R-EJA naverina any amin’ny tompony ny volana martsa teo ary tsy mbola nahitana solony ; ny faharoa (5R-EJB kosa dia misy olana tekinika dia tsy maintsy averina any amin’ny tompony any koa.Olana efa fantatra mialoha ihany io kanefa tsy nadraisana fepetra, hoy ny fanambarana .
MIANTSO NY FILOHA
Mafy dia mafy ny mahazo ity kaompaniam-pitaterana malagasy ity amin’izao fotoana, efa tsy honohono intsony fa ny mpiasa mivantana ao aminy izao mamoaka fanambarana fanairana izao.Vonona ny hifampiresaka mivantana amin’ny filohan’ny repoblika izahay hoy ireo mpanamory , hikarohana vahaolana mahomby mba ho fisorohana ny fahafatesan’ny Madagascar AIRLINES . Tsara ihany koa anefa ny manamarika fa olon’ny fitondrana ihany, fanapahan-kevitra avy amin’ny fitondram-panjakana tamin’ny ampahany betsaka no nentina namono ny Aifr Madagascar ary nananganana maimaika ity Madagascar Airlines ity say nanoavana resaka be hoe hiarin-doha amin’izay nyfitaterana anabakabaka ; kinanjo vao miha zava-doza noho ny niainana fony Air Madagascar no mitranga amin’iizao fotoana. Ka asa raha mbola hanana saina mahiratra hamahana ity olana ity ny mpitondra fanjakana, izay tompon’andraikitra feno tamin’ny fanapotehana ilay hany kaompaniam-pitaterana malagasy, noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahaizana mametraka ny tena laharampahamehana tamin’ny asa natao.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT