Madagascar Airlines bokan-trosa

Hamerim-bola tapakika hatrany amin’ny aprily 2022


  • Alatsinainy 26 Mey 2025

Eo am-pikarakarana ny fangatahana famerenam-bola azon’izy ireo hatramin’ny 1 Aprily 2022

ka hatramin’ny 31 Aogositra 2024 i Madagascar Airlines, ary vinavinaina hifarana amin’ny 30 Novambra 2025 izany, amin’ny filaharana manome lanja ireo fangatahana tranainy indrindra. Fanonerana mikasika ireo tapakila nofoanana vokatry ny tsy fahatomombanana samihafa toy ny fanafoanana sidina tamin’io kaompania moa izany. Ho an’ireo fangatahana voaray teo anelanelan’ny 1 Septambra 2024 sy ny 16 Martsa 2025, dia kasaina ho vita amin’ny 31 Mey 2025 ny fanodinana azy. Manomboka amin’ny 17 Martsa 2025 kosa, dia mamaritra fe-potoana 30 andro ny orinasa amin’ny famerenam-bola ho an’ireo fangatahana vaovao. Mba tsy hisy fahatarana amin’ny fikirakirana ireo fangatahana, dia mampahatsiahivina ireo mpanjifa mba tsy hanao fanoratana fangatahana imbetsaka, ary hanaraka ny filaharana araka ny fotoana voafaritra. Na izany aza, tsiahivina fa bokan-trosa mafy i Madagascar Airlines amin’izao fotoana izao, izay niteraka fifampiampangana teo amin’ireo mpitantana teo aloha sy ankehitriny. Mahatratra 35 tapitrisa dolara ny trosa ary mbola mifanahantsahana amin’io 35 tapitrisa dolara io ihany koa ny fatiantoka. Taratry ny tsy fahaiza-mitantana sy fahapotehan’ny Firenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT