Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivozana tany Bealanana Im-polo nivadika vao lasa tanaty hantsana ilay fiarabe


  • Alarobia 11 Mey 2022

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Bealanana omaly folakandro. Fiara lehibe iray no nianjera tany anaty hantsana ‚ teo amin’ny fiakarana ( dilana ) hiazo an’i Marolambo ‚

lalana mihazo ny kaominina Ambatoriha Est. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia lehilahy iray mpila ravinahitra voalaza ho avy eto Antananarivo no fantatra fa namoy ny ainy tamin’izany . Potika tanteraka tsy nisy azo noraisina kosa ilay kamiao nitondra entana. Im-polo nivadika mantsy ity kamia ity ka ilay fanim-pitony no nahalatsaka azy tany anaty hantsana sy nahavotsindry ilay lehilahy iray izay fantatra fa mpamily faharoa. Nahatratra 12 taonina rahateo ny entana nentin’ilay fiarabe raha tombanana ho 8 taonina kosa ny lanjan’ilay fiara izay mahatratra 20 taonina raha hatontaly. Raha araka ny fanazavan’ilay mpaily iray dia nandeha niakatra fiakarana tamin’ny vitesse 2ème izy saingy tsy tody hatramin’ny farany. Nampiditra vitesse 1ère indray izy taorian’izany fa tsy tafiditra ka nihemotra ilay fiara . Nitsahina ny tsindry hisatra hoy hatrany izy fa tsy nijanona ilay fiara. Efa nidina nanao kaly ihany mba hanohanana azy ny panera saingy tsy tana fa nianjera tany anaty hantsana ilay fiara ary im-polo nivadika vao nijanona . Fahadimin’izy nivadika no tafavoaka ny tenako hoy hatrany ilay mpamily iray ary fahafiton'izy nivadika kosa vao tafavoaka ilay mpamily faharoa kanefa voatsindrin’ny fiara tao indray ka maty tsy tra-drano. Efa 15 taona ny nitondra fiara lehibe tahaka izao moa ity mpamily tra-doza ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay fiara lehibe sy ilay mpamily iray namoy ny ainy
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT