Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Vokatry ny tsy firaharahiana ny 85%


  • Talata 05 Oktobra 2021

Araka ny vokatry ny fanadihadian’ny DGSR (Diréction Générale de la Sécurité Routière), ny 5% amin’ny lozam-pifamoivoizana dia vokatry ny lsoka ara-teknika,

 raha toa ka ny 10% dia vokatry ny kodiarana efa sola sy ny tsindry hisatra na « frein » an’ny fiara. Ny 85% kosa dia vokatry ny tsy firaharahiana ataon’ny mpamily na ny mpampiasa làlana. Sesilany ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona maro tato ho ato, ary isan’ny nisongadina ilay tany Anteza Ambohimahasoa (RN7), izay namoizana ain’olona 12 be izao, niteraka fanasaziana fampiatoana 10 andro ny koperativa Kompiama nisy ilay fiara namoa-doza. Araka ny efa notaterina teto omaly, nisy ny fitsirihana sy fisavana tampoka ireo fiara mifamoivoy tany amin’ny RN7 ny 27 septambra-1 oktobra, izay nahitana fa fiara 134 tamin’ny 680 izany hoe ny 19,70% nisy tsy fahatomombanana avokoa, ary notsoahina ny antontan-taratasiny. Tena ambony izany antontan’isa izany, izay mety ho isan’ny manaporofo ny fahabetsahan’ny loza, manampy trotraka ny tsy fanajana ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT