Fifamoivoizana

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Vokatry ny hadalana ataon’ny mpitondra môtô ny 80 %


  • Talata 28 Martsa 2017

Vokatry ny hadalana ataon’ny mpitondra môtô scooter avokoa no mahatonga ny 80 %-n’ireo lozam-pifamoivoizana mitranga eto an-drenivohitra.

 Anisan’ny mahatonga izany ny tsy ilana ny taratasy fahazoan-dalana mitondra môtô ho an’ireo sokajy latsaky ny 50 Cc, hoy ny kaomisera Ranaivoson  Alexandre omaly. Misy anefa tsy mahafehy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana akory. Misy amin’izy ireo no misongana an-kavanana, ao koa ireo maika hiala fitohanana ka mitsofotsofoka etsy sy eroa izay mandona olona mihitsy mazàna. Misy koa ireo manimba fananan’olona dia lasa mitsoaka avy eo. Vahaolana aroson’ny kaomisera ny tokony hanaovana permis ho an’ny môtô rehetra tsy an-kanavaka sy ny laharana ho azy ireny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT