Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana teto Antananarivo 382 ny tranga, 67 maty, 470 naratra ny 2020


  • Alakamisy 31 Desambra 2020

382 ny lozam-pifamoivoizana niseho teto Antananarivo Renivohitra nandritra ny taona 2020,

 

 araka ny tatitry ny polisim-pirenena tamin’ny alalan’ny Talen’ny Serasera Kaomisera Ranaivoson Alexandre. 277 ny loza tsotra, 400 niharan-doza. 45 ny loza nateraky ny fahamamoana. 57 ny loza niteraka fahafatesana olona izay nahatratra 67. Ny 64 tamin’ireo noho ny loza tsotra, ary ny 3 kosa izay samihafa, dia vokatry ny fahamamoana. 470 kosa ny naratra, tamin’ny loza rehetra niseho teto Antananarivo. Ambony ny antontan’isa mitaha ny tamin’ny 2019 na tao anatin’ny fihibohana aza isika. Saika loza vokatry ny fifandonan’ny fiara samy fiara, na fiara sy moto tamin’ny ankampobeny. Fahamamoana sy tsy fanajana ny marika amin’ny arabe, tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, tsy fananana fahazoan-dàlana hamily,… no antony. Tsy handeferana ny mpamily nandray zava-pisotro misy alikaola na nandray zava-mahadomelina, ary hohamafisina ny fandrindrana ny fifamoivoizana amin’izao fety izao, hoy ny avy amin’ny Polisim-pirenena. Vao omaly no nisy loza mahatsiravina tetsy Analamahitsy, ka fiara kely iray sy taksibe sprinter ao amin’ny zotra 162 no nifanehitra. Voalaza fa nandeha mafy dia mafy ilay fiarakely. Potika tanteraka ny fiara, ary nisy ny faharatrana mafy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT