Miisa 121 tato anatin’ny efa-bolana ny lozam-pofamoivoizana nitranga teto an-drenivohitra tato anatin’ny efa-bolana. Nanomboka ny volana Desambra lasa teo izany ka hatramin’ity volana martsa izay mbola tsy mifarana ity.
Miisa 99 ireo olona naratra mafy tao anatin’izany. Namoizana ain’olona kosa ny 22 tamin’ireo loza ka ny 13 amin'izany dia mpitondra sy mpitaingina moto avokoa. Tsikaritra ihany koa fa maro amin’ireo mpampiasa lalana raha araka ny fanazavan’ny polisim-pirenena no mody manaraka lalàn'ny fifamoivoizana satria ny Polisy no atahorana saingy vao dify ireto farany dia samy manao izay metimety aminy avokoa. Raha bangoina tokana dia ny tsy fanajana na tsy fahafantarana ny lalan’ny fifamoivoizana no anisan'ny antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana miseho eto an-drenivohitra hoy hatrany ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena ka tokony handraisana fepetra hentitra.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.