Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana teo Ambohipoloalina Mompera iray no maty, iray hafa tapa-tanana


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2021

Mompera iray no maty ary mompera iray namily ny fiara kosa no naratra, tapa-tanana vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Tsy nisy naninona ireo mpianatra ho frera roalahy tao aoriana.

 Izany no vokatry ny fahavakisan'ny kodiarana afara ary nampidona ny fiara iray tamin'ny rindrin-tany teo Ambohipoloalina, fokontany ao ihany, kaominina Ambatondrakalavao, Distrika Ambatolampy raha ny fampitam-baovao voaray ny marainan’ny sabotsy teo. Niala avy any Antsampandrano ho any Ambatolampy izy efatra mirahalahy ireto no nitrangan’izao loza izao, raha ny fampitam-baovao.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT