Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana teny Tsarasaotra


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Nidona tamina takela-by fanaovana dokam-barotra ilay moto

Mpinamana roalahy 26 sy 27 taona antsoina hoe : Mamy Harivola sy Miahy Mionona samy mipetraka eny Ampasampito no fantatra fa niara-namoy ny ainy ny sabotsy teo rehefa nandeha moto. Nandeha lala-mahitsy nizotra nankany Ivato izy roalahy ireto ary voalaza fa tena nandeha mafy. Mbola nanamafy izany rahateo ny zandary sy ny dokotera avy ao amin'ny CSB2 Ambatolampy Tsimahafotsy tonga nizaha ny razana. Tsy tafahodina anefa izy ireo nandritra izany ka nandona andrin-takela-by fanaovana dokam-barotra iray. Somary mafimafy ilay dona ka nikipily hatrany amin'ny 80 metatra miala ny arabe izy ireo ary nifatratra tany anaty rano. Teo amin’ny sampanana Ambodifasina lalana Tsarasaotra ivato no nitrangan’ny loza. Olona sendra nandalo no nampandre ny zandary tamin’ny Sabotsy teo tokony ho tamin’ny 7 ora maraina. Efa nisandrahaka tsy nisy aina intsony tao anaty rano tao Vavafolo Ambodofasina izy mirahalahy ireto noho izany vao hita ka tsy nisy azo natao intsony. Moto marika Yamaha , amin’ilay matanjaka moa no nentin’izy ireo tamin’izany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT