Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana teny Ivato 1 maty, 7 naratra mafy


  • Sabotsy 29 Jolay 2017

Olona 1 maty ary 7 naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho teny Antanetibe Ivato, akaikin’ny lalana mivily any amin’ny Hotely Paon d’Or ny alin’ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany.

 Fiara iray marika peugeot 3008 avy any Ivato no nifandona tamina fiara hanatitra olona hihazo ny seranam-piaramanidina Ivato. Nirifatra mafy io fiara io, saingy tsy tana ny familiana rehefa tojo fiolonana, ka nandona fiara marika roa 2 dia Toyota Prado sy Opel Combo, ka ireo indray no nitarika ny fifandonan’ny fiara hafa ka tafakatra 5 ireo fiara tra-doza. Ilay fiara Opel Combo no tena nifatraran’ilay Peugeot 3008, ka tapaka nizara roa mihitsy ary tao anatiny no nisy ilay namoy ny ainy, izay vehivavy. Nifamonjena tao amin’ny hopitaly Loteranina ireo naratra, izay 7 no tena voa mafy, saingy ny nampalahelo, hoy ireo niatrika ny loza dia fiara 10 no nosakanan’ny olona tsy nisy nandray. Raha ny fanazavana nomen’ny nanatri-maso dia mamo ny mpamily ilay Peugeot ary mbola nahitana tavoahangin-toaka tao anatin’ilay fiara. Nifanandrify tamin’ny fetifety nahavitan’ny fanadinana bakalorea rahateo ny nisehoan’ny loza. Efa hitrangana loza matetika eo amin’io toerana io, ary misy mihitsy no milaza fa tsy mifanaraka amin’ny toerana ny tondro momba ny fandrindrana ny fifamoivoizana, ka tokony hasiana fanitsiana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT