Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana teny Itaosy Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza


  • Zoma 18 Martsa 2022

Fiara rexton iray no nahafaty zazalahy kely tombanana eo amin’ny 5 taona eo ho eo omaly atoandro teny Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia adinon’ilay mpamily ny nametaka frein à main nefa nivoaka niala tao anatin’ilay fiara izy. Vokany, zazalahy kely iray tsy manan-tsiny no nitsian’ilay fiara ka nipotsaka hatramin’ny atidohany. Efa am-pelatanan’ny polisy hatramin’ny omaly moa ilay mpamily nanaovana fanadihadiana. Nahavaky ny fon’ny rehetra kosa ny nijery ilay ramatoa renin’ilay zaza izay nigogogogo nitomany nanoloana ny vatana mangatsiakan’ilay sombin’ny ainy izay tsy nialana nenina akory. Marihina moa fa teo akaikin’ny biraon’ny polisy ao an-tampon’Itaosy, kaominina Itaosy mihitsy no nitranga ity lozam-pifamoivoizana namoizana ain-jaza iray ity.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT