Lozam-pifamoivoizana teny Imaintimaso

Niheren-doza ny namana Zoelson Randrianindrina


  • Talata 30 Janoary 2024

Niheren-doza ary arahabaina tsy maty fo aman’aina moa izany ny

namana mpanao gazety, Zoelson Randrianindrina, sy ireo niray fiara taminy raha to ka niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo Imaintimaso, Ambohijoky, ny alahady teo. Raha ny fanazavan’ny isan’ireo mpandeha dia tsy nisy hoe nandeha mafy na mamo na nanao taingim-be fa ilay lalana no nihotsaka ka izay no nampivadika ity fiarabe nitondra azy ireo ity tamin’io fotoana io. Nandray ny andraikiny mandra-pahatonga ireo niharam-boina taty Antananarivo ny tompon’ny fiara. Ny daka mandrivorivon’ny mpilalao tantara malaza amin’ny onjam-peo, Christophe Rabearimanana, no nampivaha ny varavaran-kely nahafahan’ireo rehetra tao anatin’ny fiara nivoaka tao. Ankoatran’ny maha mpanao gazety azy tokoa moa dia mpilalao tantara amin’ny onjapeo ihany koa ny namana Zoelson Randrianindriana no sady poeta sy mpanoratra, mpikambana eo anivon’ny Faribolana sandratra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT