Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana teny Ankazobe Tovovavy iray hanatrika JMJ no maty


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Tovovavy iray vao erotrerony satria vao 22 taona monja, izay anisan’ireo tanora Katolika handeha hanatrika ny JMJ any Mahajanga no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Ankazobe telo amin’ny PK 114 + 500 teo amina Tanana antsoina hoe Ampivoarana, ao anatin’ny kaominin’Ankazobe.

 

 

 

Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia nijanona tamin’ny sisin-dala ireo fiara maromaro nitondra ireto tanora hanatrika ity fotoan-dehibe any Mahajanga ity; niampita ny arabe ilay tovovavy no nodomina fiara Sprinter iray izay avy eto Antananarivo ary hihazo an’i Mahajanga ihany koa.Nivadika moa io fiara io rehefa avy nandona ilay tovovavy ka olona 2 tao anatiny no naratra.Nentina notsaboina teny amin’ny hopitalin’Ankazobe ilay tovovavy saingy efa tsy tana intsony ny ainy noho ny ratra nahazo azy.Rasoaniaina Clémence ity tovovavy namy ny ainy teny Ankazobe ity ary fantatra fa tanora avy ao amin’ny EKAR Mahitsy izy.

 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT