Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4 1 maty, 5 naratra mafy


  • Alarobia 02 Mey 2018

Fiara kely marika Nissan no tra-doza tany amin’ny lalàm-pirenena faha-4 mihazo an’i Mahajanga iny omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 2 ora.

 

Niala tamin’ny arabe io fiara io ary nanavatsava, ka nidona mafy tamin’ny andrin-tany na taliha. Olona 6 no tao anatin’ny fiara avy any Mahajanga, saingy tratran’izay loza izay teo Mamokomita Mahatsinjo. Maty teo no ho eo ny mpamily, izay tombanana ho noho ny dona mafy nahazo azy no antony. Naratra mafy avokoa ny ambiny vehivavy lehibe roa, lehilahy lehibe iray, zazavavy 12 taona iray, isan’ny tena voa mafy, ary lahikely 14 taona iray. Nandriaka ny ra, ary efa nalefa namonjy hopitaly avokoa. Hatramin’ny omaly tolakandro, dia tsy mbola fantatra izay havan’ireto fianaviana tra-doza ireto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT