Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana teny amin’ny By Pass Maty tsy tra-drano ilay mpitondra Scooter


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin'ny By Pass omaly alarobia 17 oktobra tokony ho tamin'ny 9 ora alina. Teo amin'ny 500 m miala ny Domaine eo amin'ny toerana antsoina hoe Ankazobe Alasora.

 

 

Raha ny fanazavana vonjimaika avy amin'ireo teo amin'ny manodidina dia nisongona sémi-remorque ny lehilahy iray nitondra moto scooter no nifanehitra avy hatrany tamina fiara iray hafa ka tsy afa-niala. Heverina nisy ny fandehanana mafy raha jerena amin'ny fahapotehana nisy ary nipitika lavitra mihitsy izy ary potika tsy nisy noraisina ilay scooter. Tonga teny an-toerana moa ny mpitandro ny filaminana, ary efa nisy ihany koa ny fizahana nataon'ny mpitsabo. Ny lohany no hita ho tena voadona mafy satria nandriaka rahateo ny ra. Nisy ratra ihany koa ny tongony. Tamin'ny fotoana nialanay teny an-toerana dia efa tonga teny ny havany. Nanentana hatrany amin'ny tokony hitandremana, indrindra ho an'ny mpitondra moto ny Lehiben'ny mpitandro ny filaminana ao Alasora izay tonga teny an-toerana mihitsy. Fanamarihana nataony ihany koa ny tokony hijerena akaiky ny jiro manazava ny lalana satria somary maizina eny an-toerana.

Nangonin'i Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT