Lozam-pifamoivoizana tao Vohiparara

Nahatratra 26 ireo naratra


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Fiara nitondra mpianatra , niala avy any Andranomafana , distrikan’Ifanadiana omaly Alahady 12 May

no tra-doza tao Vohiparara , tokony tamin'ny 5 ora maraina raha nikasa ho any Betafo. Nahatratra 26 isa ireo naratra vokatr’izany raha tsy nisy kosa ny aina nafoy. Voatery nentina tao amin'ny Hopitaliben’ny CHU Tambohobe avokoa izy 26 mianadahy ireo notsaboina noho ny ratra nahazo azy. Raha araka ny fantatra mantsy dia nisy ny tapaka…. Noraisin’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny lany rehetra tamin’ny fitsaboana hatramin’ny omaly raha araka ny loharanom-baovao azo. Vokatry ny olana tamin’ilay fiara moa no antony nahatonga ny loza ka nandratra azy 26 mianadahy mpianatra ireto. Na izany aza efa misokatra ny fanadihadiana momba ity lozam-pifamoivoizana nitranga tao Vohiparara omaly ity.
Pati
Legende :Nandritra ny fandraisana an-tanana ireo naratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT