Lozam-pifamoivoizana tao Namehana

Miisa 3 no naratra mafy


  • Zoma 04 Oktobra 2024

Omaly, tokony ho tamin’ny 2 ora sasany tolakandro no nitrangana lozam-pifamoivoizana

tao amin’ny fokontanin’Amorondria Namehana, mitsofoka Antsofinondry mivoaka lalam-baovao Ivato, hoy ny fampitam-baovao voaray. Lehilahy miisa 4 no tao anatin'ilay fiara 4*4 na tsy mataho-dalana ary naratra mafy ny 3 tamin’izy ireo noho ilay fiara nivadibadika. Nisy tapaka ny tanan'izy ireo raha toa ka nahita ratra mafy ihany koa ny lohan'ny hafa. Raha ny nambaran'ny nanatry maso dia fandehanana mafy no antony nahatonga izao loza izao. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avy hatrany izy ireo hisitraka ny fitsaboana tandrify azy avy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT