Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana tao Ihosy Noraisina an-tanana maimaimpoana ireo naratra


  • Talata 26 Jolay 2022

Noraisina an-tanana maimaimpoana avokoa ireo olona am-polony naratra mafy vokatr’ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nahafatesana olona 2 nitranga tao Ambararata,

Ihosy, Faritra Ihorombe ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny alalan'ilay "fonds d'urgence" tao amin'ny CHRR Ihosy no nanatanterahana izany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia niisa 22 ireo maratra noraisina an-tanana ka ny 8 tamin'izy ireo no nampidirina hopitaly, ny iray nalefa haingana nihazo ny CHU Fianarantsoa noho ny voina mafy loatra nahazo azy. Ireo ekipan’ny SDSP Ihosy, ny CHRR Ihosy ary ny DRSP Ihorombe no nifarimbona tamin'izao "Vonjy Aina" izao. Tsy misy ahiana intsony ny ain’ireo marary hoy hatrany ny vaovao. Efa notazonin’ny mpitandro ny filaminana hanaovana fanadihadiana kosa ilay mpamily raha efa nalefa omaly ireo namoy ny ainy taorian’ny nanaterana ny razana teny amin’ny tranom-paty.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny vonjy aina natao tamin’ireo naratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT