Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana tao Antsirabe Ilay mpamily mamo indray no nandrahona


  • Zoma 07 Jolay 2017

Nitrangana lozam-pifamoivoizana vao maraina indray tao an-tanànan’Antsirabe omaly.

 Fiara kely BMW iray nentina mpitandro ny filaminana avy nirevy tao amin’ny hotely iray misy toeram-pandihizana teo Ampihaviana no nirifatra mafy ka nifatratra tamin’ny fiara Mazda iray, mpitatitra efa feno mpandeha nikasa ho any Ilakaka, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany. Olona roa no naratra dia ny mpandeha teo amin’ny ilay havanana teo amin’ny alohan’ny fiara sy ny mpamily ilay fiara mpitatitra. Nambaran’ilay mpamily fa saika hitsoaka tamin’ny fiarany ihany ilay nandona saingy nifanakanan’ny olona ka nesorina teny aminy ny fanalahidin’ny fiara vao nijanona izy. Avy eo dia norahonany indray ilay mpamily taksibrosy fa tsy mahalala azy hono ve fa mila amboarina ny fiarany fa tsy mila hiantsoana mpitandro ny filaminana izany. Tonga ny teo anivon’ny polisim-pirenena saingy niala maina ka niantsoana zandary nanao ny fanamarinana. Niteraka fitohanana vao maraina ity lozam-pifamoivoizana ity satria  tamin’ny 7 ora ka hatramin’ny 9 ora sy sasany maraina dia mbola nifandrirarira teo ny roa tonta. Marihina moa fa mbola mamo tampona ilay mpamily niteraka ny loza ka sarotra ny fifampiresahana ary nisy mihitsy ny fandrahonana ilay mpitondra taksibrosy.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT