Lozam-pifamoivoizana tany Toamasina

500 Ar no nomen’ilay mpitarika posy hanamboarana ilay fiara


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Somary nahatsikaiky no sady nampalahelo ny zava-nitranga tao

Toamasina tamin’ny faran’ny herinandro teo. Posy iray no fantatra fa nandona fiaran’olona nijanona teo amin’ny sisiny noho ny hamamoan’ilay nitarika azy. Potika vokatr’izany ilay posy raha nahitana fahasimbana kosa ilay fiara. Tsy nitady olana anefa ilay tompona fiara nandritra izany fa nangataka tamin’ilay mpitarika posy fotsiny mba handoa ny vola hanamboarana ilay fiarany dia milamina ny raharaha. Vola 500 Ar efa ano nomen’ilay mpitarika posy nandritra izany ka tezitra ny tompon’ilay fiara. Na vary iray kapoaka aza mantsy efa tsy azona 500 Ar intsony amin’izao. Voatery nitondra ny raharaha teny amin’ny tompon’andraikitra moa ilay tompona fiara na dia efa alina aza ny andro. Hetahetan’ny mponina ao Toamasina noho izany ny tokony hanofanana sy hanomezana taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia ihany koa ho an’ireo mpitarika posy. Saika tsy mahalala ny hataony tahaka izao avokoa mantsy ny ankamaroan’izy ireo nefa aina no lalaoviny.
Pati
Legende : Efa maizina tahaka izao no nitrangan’ilay loza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT