Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana tany Arivonimamo 4 no maty, 40 mahery no naratra


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Taksibrosy iray « karandalina » niala teto Antananarivo hihazo an’i Manalalondo Arivonimamo no tra-doza teo amin’ny tetezan’Iombifotsy Andranomena-Arivonimamo (Pk 40) omaly alahady 1 jolay tokony ho tamin’ny 9 ora maraina.

 

 Somary nandeha mafy izy io, saingy nisy omby teo amin’ilay tetezana ka taitra sy nikorapaka niala an’iny ny mpamily, ary izay no nahatonga azy niala ny tetezana ary latsaka azy tany anaty rano, raha ny fanazavana vonjimaika. Nivadika ambony ambany mihitsy moa ity fiarabe ity tamin’ny filatsahany tao anaty rano. 4 no maty teo no ho eo, roa lahy ary roa vavy, ka anisan’izany ny mpamily. Miisa 49 kosa ny naratra ankoatra ireo namoy ny ainy, raha ny fanazavana azo. Raha ny fanampim-baovao hafa dia miisa 9 tamin’ireo no tena voa mafy. 4 kosa ireo efa nivoaka ny hopitaly hatramin’ny omaly tolakandro, raha ny fampitam-baovaon’ny zandary. Niezaka namonjy sy nanao izay ho afany namonjena ireo tra-doza ny fokonolona sy ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena nanakana ireo fiara nandalo, ka nisy ny nalefa avy hatrany tany amin’ny hopitalin’Imeritsiatosika, Arivonimamo,  ary ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha. Iray amin’ireo tra-doza ny zavavavy kely iray tokony ho folo volana izay tsy mbola mahay miteny, ka tovovavy kely iray 16 taona antsoina hoe Eulalie no nanavotra azy nanao vy very ny aina satria lasan’ny rano io zaza io nandritra ny loza.  Efa hita tao amin’ny hopitaly Hjra ihany moa ny renin’ity zaza ity satria anisan’ireo maratra notsaboina.Namangy teny amin’ny Hjra ihany koa moa omaly ny minisitry maromaro nisolotena ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ka nanambara fa hiantohan’ny fitondram-panjakana manontolo ny fitsaboana ireo maratra ankoatry ny efa fanampiana ireo niharam-boina.


Nifamahofaho tanteraka ny vaovao omaly satria niely ny feo fa nahatratra hatrany amin’ny 12 no maty, ka dia andrasana anio izay mety ho fivoarany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT