Lozam-pifamoivoizana sesilany

Mpandeha moto iray indray no maty tetsy Ambohitrimanjaka


  • Zoma 07 Febroary 2025

Namono olona indray ny moto na kodiaran-droa omaly alakamisy 06 Febroary teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka.

Moto 2 no nifandona tamin’izany, ny iray niankavia raha niankavanana kosa ny iray. Maty tsy tsa-drano vokatr’izany ny mpamily ilay moto iray raha tsy nahatsiaro tena kosa ny iray. Vokatry ny hamafisan’ny fifandonana no nambaran’ ireo nanatri-maso fa antony nahatonga izany. Samy nandeha mafy nanararaotra ny lalana tsara mantsy izy ireo hoy ny resaka niely teny an-toerana, ny arabe rahateo nikodana saingy izao namoizana ny ain-dehiben’ny iray izao. Tsiahivina moa fa ny mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Ny 80%-n’izany dia vokatry ny olana ara-teknika mety hahazo ilay fiara na moto avokoa raha vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily toy ny fandehanana mafy, ny hamamoana eo am-pamiliana kosa ny 20%.
Pati
Legende : Nitsirara eran’ny arabe tahaka izao ireo mpitondra moto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT