Lozam-pifamoivoizana sesilany

Isan’ny tena mitera-doza ny fiara simba eny amoron-dalana


  • Alarobia 21 Mey 2025

Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika

vokatry ny fisian’ireny fiara simba na misy olana mijanona anaty lalana ireny, raha araka ny fanazavan-dRakotomamonjy Samuel, talen’ny fiarovana sy ny aro loza eo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Nohazavany fa na fiara kely na fiara lehibe dia tokony hanana fitaovana manaraka azy mampahafantatra ny fijanonany amin’ny sisin-dalana noho ny olana mianjady aminy. Ho an’ireo kamiao mihoatra ny 3 T indray dia notsindriany fa tokony hisy ireny bande reflechissante ireny ny vatany raha tojo olana ka mijanona anaty lalana mba ho famantarana ny fisiany. Tsy tokony hajanona anaty lalana ihany koa ny fiara simba na misy olana hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity fa avy hatrany dia hiantsoana depannage mba tsy hitera-doza. Nisy ny fanentanana ho an’ny mpitatitra notanterahin’ny ATT omaly Talata 20 May. Nampahafantarana ny mpampiasa lalana rehetra nandritra izany ny tokony hoataony ka anisan’ny voakasika ireo mpandeha an-tongotra. Betsaka ireo mbola tsy tena mahalala ny tokony hataony hoy hatrany ny tompon’andraikitra ka tsy maintsy nanaovana fanentanana indrindra fa ireo mpamily kodiaran-droa.
Pati
Legende : Anisan’izany ity loza nitranga tety Andoharanofotsy ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT