Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana RN7 Vehivavy bevohoka sy lehilahy iray maty tsy tra-drano


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Fito no naratra mafy, lehilahy iray sy renim-pianakaviana bevohoka miaraka amin’ny zanany tao an-kibony no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-piarakodia 3 km tsy hiditra an’ny “Camp Robin” amin’ny lalana ihazo an’ny Fianarantsoa.

 

 

 

Taksiborosy mpitatitra avy aty Andrenivohitra ihazo an’ny Toliary ity tra-pahavoazana ity. Niainga tamin’ny zoma hariva avy teto Antananarivo izy io, tamin’ny 7 maraina afak’omaly sabotsy no nitranga ny loza. Tsy nisy fiara nifandona taminy fa nidofotra tamin’ny andrin-tany tamin’ny fiolahan-dalana no nahapotika ilay fiara. Raha ny filazan’ireo mpandeha sy ny mpanatri-maso, vokatry ny fandehanana mafy nefa niezaka niala lalan-dratsy tampoka no nahatonga ny loza ka tsy voaverin’ny mpamily amin’ny lalana ny fiara. Misy ihany koa anefa nilaza fa mety vokatry ny harerahana sy ny torimaso izany. Raha ny loharanom-baovao azonay.Nentina teo amin’ny ivon-toeram-pitsaboana teo Camp Robin ireo namoy ny ainy ka ny hopitaly no nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana sy nandefa ny filazana tamin’ny mpitandro filaminana

sy ny haino aman-jery ary ny tambazotran-tserasera nentina nampalalana sy nampitadiavana ireo havany. Ankoatran’ny sosialin’ny toeram-pitsaboana sy ny fivarotam-panafodin’ny hopitaly, ireo olona teo amin’ny manodidina tsara sitrapo no nifamonjy tamin’ny vonjy aina tahaka ny fanomezan-dra sy ny sakafo ho an’ireo naratra mafy. Amin’izao ora hanoratanay izao, mbola misy marary tsy manana fianakaviana ao amin’ny hopitaly ka nanao antso avo na ho an’ny mponin’ny Toliary hitodihan’ny fiara na ny avy aty an-drenivohitra izay fianakaviana nanana havana niainga tamin’ny zoma tolakandro hianantsimo ny tomponandraikitra ny toeram-pitsaboana mba hiantso any an- toerana amin’ny laharana 0341666728.

 

Haja Nirina

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT