LOZAM-PIFAMOIVOIZANA-RN3

Maty nanaraka azy koa ny Rain'ilay zazavavy kely


  • Zoma 19 Septambra 2025

Ankoatra ilay zazavavy kely vao 2 taona sy tapany namoy

ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana teny amin'ny lalam-pirenena fahatelo afak'omaly Alarobia 17 Septambra folakandro tao Soamiandalana, kaominin'Ambohidrabiby dia fantatra fa maty koa ny Rain'ilay zaza nitondra moto. Teny an-dalana hihazo ny hopitaly ity farany no namoy ny ainy raha velona soa aman-tsara kosa ilay Ramatoa izay mbola tsaboina ao amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Voalaza fa nandeha mafy moa ilay fiara vaventy nandona azy ireo izay avy any Ankazondandy hihazo an'Antananarivo, ary nisongona fiara maro teny an-dalana. Sendra Starex nijanona teo an-tsisin-dalana ankavanany anefa io kamiao io ka tsy tafaverin'ilay mpamily ny familiany. Lasa nifaoka ilay moto nentin'izy 3 mianaka saika hianavaratra izy vokatr'izany ka nifatratra tamin'ny andrin-jiro avy eo. Voatazona hatao famotorana ilay mpamily izay vao 30 taona monja. Voalaza fa efa nahafaty olona ihany koa ity farany tamin'ny taona 2022, tany amin'ny lalam-pirenena faharoa tao Volavia Manjakandriana. Fiara fourgon no fantatra fa noentiny tamin'izany.
Pati
Légende : Maty izy mianakakely miara-mipetraka ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT