LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN 2

Taksibrosy iray nivadika, olona 4 naratra


  • Alarobia 06 Martsa 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin’ny distrikan’i Manjakandriana,

lalam-pirenena faharoa omaly folakandro. Fiara taxi-brousse iray ho any Toamasina raha niainga avy eto Antananarivo no tra-doza ka olona miisa 4 no naratra. Ny iray amin’ireto farany no fantatra fa tena voamafy hoy ny vaovao, tranga niseho 7 km niala teo Manjakandriana. Efa nentina notsaboina ao Manjakandriana avokoa moa ireo ny tsy naratra. Raha araka ny fantatra dia vokatry ny olana ara-teknika nahazo ilay fiara no nahatonga ny loza. Nanampy trotraka izany ny halaman’ny lalana vokatry ny ora-mikija , antony nampivadika azy. Tsiahivina moa fa mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika raha tsy lazaina intsony ireo maratra. Ankoatra ny tsy fitandreman’ny mpamily dia anisan’ny antony mahatonga izany ny olana ara-teknika mety mahazo ilay fiara.
Pati
Legende : Nivadika tahaka izao ilay fiara taxi-brousse !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT