Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Ramatoa sy ny zanany 12 volana no maty tany Ihosy


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany manodidina ny 12 volana no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany amin’ny distrikan’Ihosy ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny fantatra dia taxi brousse iray mitondra

ny laharana 9380 FE mampitohy an’Antananarivo sy Faradofay no lasibatra tamin’izany. 15 km tsy hidirana an'Ihosy izy io no tra-doza raha avy any Ankaramena. Mihoatra ny 10 kosa ireo naratra izay efa namonjy ny hopitalibe ao Ihosy hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany moa dia niala tamin’ny fiara iray nifanena taminy ny mpamily ity taxi brousse ngezabe ity. Nihorirana ary nivadika ilay fiara vokatr’izany, antony niteraka ireo aina nafoy miisa roa sy ireo mihoatra ny 10 naratra mafy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana moa ny raharaha. Misokatra ny fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT