Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Olona indray 3 maty teny Ampitatafika


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora sy 45 minitra teny Antanimenabe Ampitatafika.

Fiara Sprinter voalaza fa taxibe an’Imerintsiatosika feno mpandeha avy any amin’ny tobim-piantsonana Anosibe no nivadika ambony ambany tampoka rehefa niala kodiaran-droa iray ka mpandeha tsy manan-tsiny roa nipetraka taorian’ilay mpamily no fantatra fa namoy ny ainy. Raha araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia nisy bisikileta iray avy any Fenoarivo ihany koa no lasibatra tamin’izany. Rehefa niala ilay moto nivoaka avy any amin’ny tanimenabe mantsy ilay mpamily hoy hatrany ireo nahita ny zava-nitranga dia nifatratra tany amin’ilay bisikileta ka nivadika. Raha araka ny fantatra dia namoy ny ainy ihany koa ilay mpitondra bisikileta. Nisy ihany koa moa ireo naratra. Ilana fitandremana ny trangan-javatra tahaka itony indrindra fa ho an’ireo mpamily zatra mandeha mafy rehefa mahazo lalana malalaka. Mety misy hatrany mantsy ny trangan-javatra tsy hampoizina miseho eny an-dalana, antony handehanana mora ho fiarovana ny ain’ny tena sy ny ain’ny hafa.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT