Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Ny 5% monja no avy amin’ny tsy fahalavorarian’ny fiarakodia


  • Alarobia 28 Jolay 2021

Ny 5% monjan’ny lozam-pifamoivoizana miseho eto amintsika no fantatra fa avy amin’ny tsy fahalavorarian’ny fiarakodia.

 Ny ankoatra izay dia vokatry ny tsy fitandremana sy ny tsy fahaizana mitondra fiara avokoa. Io no nambaran’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny fitsarana fiarakodia eny Alarobia omaly raha nanome fiofanana ireo mpamily 80 lahy miasa eo anivon’ny ratsamangaikan’ny FID izy ireo. Nivoitra nandritra izany fa tsy tokony ho mpamily eo amin’ny familiana fotsiny ihany na Volant ny mpamily iray fa tokony hahafehy ireo karazan-javatra tsy mety amin’ny fiara ihany koa rehefa misy fahasimbana eny an-dalana. Eto Antananarivo mantsy no betsaka fiara hatao fitsirihana indrindra eto amintsika. Tanjon’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fitsarana fiarakodia araka izany ny hahafahana mampihena na manafoana mihitsy ny lozam-pifamoivoizana ho fitandroana ny ain’ny mpiara-belona.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT