Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Namoy ny ainy ny Miss Majestics Moramanga


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Lasa tany ambany kamiao ny moto nitondra azy Fitaovam-pitaterana tena ilaina nefa tena atahorana ihany koa ny kodiaran-droa na ny moto.

Tsy vitsy mantsy ireo olona efa namoy ny ainy tamin’ny fitaingenana azy ireny ka anisan’ireny i Sitraka ilay tovovavy kely manodidina ny 20 taona, lany miss Majestics Moramanga tamin'ny herinandro lasa teo. Raha araka ny ny vaovao voaray dia lasa tany ambany kamiao ny moto nitondra azy, tranga niseho tao Moramanga ihany. Nentina novonjena tany amin'ny hopitaly izy vokatr’izany tsy tana ny ainy, noho ny rabe very loatra taminy. Tsiahivina moa fa izy no nahazo ny Couronne Miss Majestics Moramanga 2023 tamin'ny présélection Miss Majestics Distrikan’i Moramanga. Tamin’ny 29 aprily lasa teo no nanatanterahana ny lanonana nifandraika tamin’izany.Tokony hisolo tena ny distrikan’i Moramanga mandritra ny fifaninana rezionalin’ny Miss Majestics Alaotra Mangoro taona 2023-2024 moa ny tenany raha velona soa aman-tsara teo hifaninana amin'ireo tovovavy tsara tarehy sy bikana manerana ireo distrika efatra mandrafitra ny Alaotra Mangoro. Alevina anio ny nofo mangatsiakany raha araka ny loharanom-baovao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT