Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Namono olona indray ny RN4 sy RN7


  • Alatsinainy 19 Septambra 2022

Nandriaka ny rà ny faran’ny herinandro teo noho ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, ka isan’ny nisongadina ny teny amin’ny làlam-pirenena faha-4 sy ny tany amin’ny làlam-pirenena faha-7.

Fiara tsy mataho-dàlana niloko mena no nifanehitra tamin’ny fiara mpitatitra solika teo anelanelan’I Manerinerina sy Ankazobe. Olona 3 no tao anatin’io fiara kely io ka ny roa naratra mafy efa nentina tany amin’ny Hopitalin’Ankazobe. Ny mpamily kosa maty teo noho eo. Tany amin’ny RN7 kosa, fiara mazda mpitatitra olona hiazo an’i Fort Dauphin no nifanehitra tamin’ny kamio, ka voatsindry tao ambanin’io ilay fiara nitatitra olona. Maty vokatr’izany ny mpamily sy vehivavy lehibe iray, ary nisy ankizy tapa-tongotra ihany koa, raha ny vaovao avy any an-toerana. Entanina hitandrina hatrany ny mpampiasa fiara na amin’ny lafiny ara-pamiliana na ara-mekanika satria tena sesilany ny loza mahatsiravina izay matetika noho ireo antony roa ireo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT