LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAMOIZANA AIN'OLONA

Hiakatra Fitsarana anio i Kiady, mpilalao sary mihetsika


  • Alakamisy 15 Mey 2025

Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,

fantatry ny maro amin’ilay tantara nampihetsi-po mitondra ny lohanteny hoe : Diary. Raha tsiahivina kely dia nandona kodiaran-droa teny Anosimasina Itaosy, distrikan’Atsimondrano ny fiara nentin’ny tovolahy ny 10 May lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Maty ny ampitson’iny izany hoe : ny andron’ny Alahady 11 May ilay Ramatoa nitaingina ity kodiaran-droa ity raha naratra mafy kosa ilay lehilahy nitondra azy. Notsiahivin’ny mpisolovava azy moa hoy ny vaovao fa ny alina taorian’ny nitrangan’ny loza dia efa voatazona natao andrimaso teny anivon’ny mpitandro ny filaminana i Kiady. Mbola voatazona tao ny tenany hatramin’ny omaly nahazoanay ny vaovao raha nogiazana ihany koa ny findainy sy ny fiarany. Tsy marina hoy izy ny vaovao niely tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook fa efa nivoaka mirihariha eny anivon’ny fiaraha-monina i Kiady.
Nangonin’i Pati
Legende : I Kiady sy ilay fiara nentiny izay potika tanteraka ny lohany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT