Lozam-pifamoivoizana nahatsiravina

Olona 7 indray maty, 4 miady amin’ny fahafatesana


  • Zoma 01 Aogositra 2025

Zava-doza no nitranga tany Beranomaso Ankilizato omaly Alakamisy 31 Jolay

tokony ho tamin’ny 09 ora latsaka fahefany maraina. Fiara marika Mazda mpitatitra olona mampitohy ny distrikan’i Mahabo sy Miandrivazo voalaza hiantsinanana no tra-doza ka olona miisa 7 be izao no indray namoy ny ainy. Zaza avokoa ny telo amin’ireo raha olon-dehibe ny efatra ambiny. Olona miisa 4 hafa ihany koa no mbola miady amin’ny fahafatesana vokatry ny dona sy ny ratra mafy nahazo azy ankoatra ireo ambiny manaraka fitsaboana tsotra ao amin’ny CSB II Ankilizato. Raha araka ny vaovao azo hatrany dia tapaka tsindry hisatra ity fiara mazda ity ka tsy voatanan’ny mpamily ny familiana. Tapaka ihany koa ny tongotr’ity farany ary mbola manaraka fitsaboana izy. Andrasana ny vokatry ny fanadihadiana marina hataon’ny mpitandro ny filaminana.
Pati
Legende :Ilay fiara Mazda tra-doza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT