Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Misy fampianarana sy fanentanana goavana mila atao


  • Alarobia 11 Mey 2022

Moto miisa 4 tamin'ny 5 tao anatin'ny herinandron'ny 2 hatramin'ny 8 mey no nahafatesana olona hoy ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana na “Brigade des Accidents”.

Ireo antony mahatonga loza, araka ny fahitan’ity borigady ity azy dia noho ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, fandehanana mafy loatra, tsy fanajana ny "priorité", ny fisongonana avy any amin'ny ankavanana, ny fitondrana moto tsy misy fahazoan-dalana, hoy hatrany ny tatitra. Mety mbola misy antony hafa. Misy zavatra tokony atao fa tsy mijanona amin’ny fitaterana loza na fampahatsiahivana ny lalàna fotsiny. Fampianarana, fanabeazana, fanentanana, miditra amin’ny fanasaziana. Tokony karohina ny fomba rehetra hahatonga saina ny mpampiasa lalana tsy an-kanavaka fa tsy maintsy misy fitsipika mandamina io resaka fifamezivezena sy fifamoivoizana io fa tsy hoe maika dia samy manao izay saim-pantany. Resaka soa iombonana ihany koa io, fa raha samy maka ho azy dia hitombo isa foana ny maty eto, hoy koa ireo soso-kevitry ny olom-pirenena.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT