Fifamoivoizana

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Miha mahazo vahana ny fandosiran’ny mpandona


  • Talata 09 Aprily 2019

Gaboraraka! Miseholany ny fandosirana aorian’ny fandomana mpandeha an-togotra amin’ny fiara ataon’ireo mpamily tsy mataho-tody tato ho ato. Tsy enjehin’ny eritreriny akory izy ireny rehefa

 

 

 

 

 

gaboraraka tanteraka ny tsy fanarahan-dalàna. Ny toe-javatra mamoehitra toy izany no mampirongatra ny fitsaram-bahoaka. Fiara iray nandona posy teo amin’ny “stade” Toamasina, omaly

maraina no lasa nitsoaka. Torak’izany koa, fiarakodian’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany no nandona olona teo amin’ny Ford Duchesne, ny sabotsy takariva teo, nitsoaka ilay mpamily fa tsy

namelan’ireo mpanaradia ka tratra teo Ampandrianomby, araka ny loharanom-baovao azo antoka. Nentina tao amin’ny « Centre hospitalier” Soavinandriana ilay naratra avy eo, ary mbola

nifampitadiavana ny fizakana ny fitsaboana, akoatra ireo tsindry etsy sy eroa. Ny 2 avrily teo, sahabo tamin’ny 9ora sy sasany alina koa, tamin’ny lalam-pirenena fahafito teo amin’ny PK 44+10,

Tsarafara, kaominina Behenjy, Ambatolampy. Nirifatra nandositra ilay mpamily rehefa avy nandona lehilahy iray sahabo ho 30 taona mahery. Tao anaty tatatra, mifanandrify amin’ny biraon’ny

kaominina Behenjy no tsikaritry ny mpandalo ny vatana tsy misy ain’ilay lasibatra. Ny zandary sy ny mpitsabon’i Behenjy no nanatanteraka ny fizahana ary nalefa teny amin’ny tranom-paty tao

Ambatolampy izy io. Araka ny fampitam-bovaon’ny zandary hatrany, tranga mitovy amin’izany ihany ny faran’ny volana martsa 2019, tamin’ny 4 ora tolakandro, tao amin’ny lalam-pirenena faha-18,

Ambohimaneza, Morondava, kaominina Nosifeno, distrikan’i Midongy Atsimo, maty vokatry ny

donan’ny moto nanitsaka azy ny zazalahikely 5 taona rehefa nentina tany amin’ny hopitalin’ny Distrika Midongy. Nandositra tsy hita ilay mpitondra kodiarandroa izay olom-pantatry ny mponina eo

an-toerana ihany. Ny zandary tao amin’ny borigadin’i Morondava no nanao ny fizahana sy manohy fikarohana ny nahavanondoza. Mahagaga fa mitazam-potsiny ny tranga toy izao ihany koa ny

mpitondra sy ireo manampahefana isan-tokony. Raha tena hidian’ny mpitandro filaminana ny lalana tsy lasa lavitra ny toy ireny.

 

Haja Nirina

 

Mihanaka indray izao ny fandomana mpandeha an-togotra kanefa mandositra andraikitra ireo mpamily nahavanon-doza

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT