Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Maty ilay vazaha sy ny olon-tiany


  • Alatsinainy 30 Desambra 2019

Faran’ny herinandro feno lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra. Tena nahontsa ny maro ny fisian’ilay teratany vahiny izay niara-maty tamin’ny sakaizany tetsy amin’ny manodidina ny seranam-piaramanidina Ivato omaly maraina.

 

Nandeha moto izy roa. Nidona tamin’ny andrin-jiron’ny Jirama ny môtô nentin’izy ireo. Maty tsy tra-drano ilay vazaha. Ilay vehivavy Malagasy kosa mbola tokony ho avotra saingy niandry ela loatra noho ny tsy fisian’ny fiara nety nitondra azy teny amin’ny hopitaly ary dia lasa ihany ny ainy. Nojeren’ny olona fotsiny teo izy izay efa tsy afa-nihetsika intsony. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia mbola velona tsara ilay vehivavy taorian’ilay loza. Ny tena nahavariana dia  saika tsy rototra avokoa ny olona teo amin’ny manodidina  nandritra ny loza nahazo azy roa mpifankatia ireo. Toraka izany koa ireo fiara izay nandalo sy nahita maso ny loza izay tsy nisy rototra ny hampiditra azy tao anaty fiara ary hitondra azy amin’ny hopitaly. Zava-dehibe ny fifamonjena ary azo henjina sy helohina amin’ny lalàna ny tsy firaharahiana sy tsy fandraisana andraikitra amin’olona tra-doza.

 

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT