Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga Ho hentitra kokoa ny fitsirihana ny fiara


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Nihanahazo vahana tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana teto amintsika. Saika namoizan’aina avokoa ny ankamaroan’izy ireny, antony nandraisan’ny sampandraharaha misahana ny fitsarana fiarakodia eny Alarobia fanapahan-kevitra hentitra.

 

 

 Nambaran’izy ireo fa tsy maintsy hatao fitsirihina eny amin’izy ireo avokoa ny fiarakodia rehetra mba hiarovana ny ain’olona sy ny fananany.  Ho an’ireo manantena ny resaka taratasy hosoka hahafahany miasa na mandeha dia hampidirina “fourriere” avy hatrany izay tratra  ka tsy mivoaka ilay fiara raha tsy mahaloa ny sazy ara-bola mifandraika amin’izay ny tompony ary manao fitsirihana ara-dalàna indray avy eo. Na izany aza anefa dia nomarihin’izy ireo fa tato anatin’ny telo taona izao dia ny 3 %-n’ireo fiarakodia niharan-doza ihany no vokatry ny fahatomombanan’ny fiarakodia no nahatonga izany. Ny ankoatra izay hoy izy ireo dia vokatry ny tsy fitandremana sy ny tsy fahampian’ny torimaso na ny fisotroana avokoa. Tsiahivina moa fa eny amin’ny By-pass sy Alasora ary Ivato no afaka mandray ireo olona hitondra fiara hotsaraina amin’izao noho ny asa fanamboaran-dalana tanterahina eny amin’ny foiben-toerana fitsarana fiarakodia eny Alarobia ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT