Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina

Nandriaka ny rà teny Ambohitrimanjaka


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’ny làlan’Ambohitrimanjaka

ambonin’ny tetezana omaly 21 aogositra 2024 tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Tsy fantatra mazava ny tena anton’ny loza, saingy heverina fa anisany ny fandehanana mafy loatra satria moto iray marika G6 niloko fotsy no nidona tamin’ny fiara kely iray marika 206 simba teo amoron-dàlana. Henjana ny fifandonana satria nikarepoka tanteraka ilay fiara, potika ny moto, ary tena voa mafy ilay mpitondra moto. Polisy mody eny Ambohitrimanjaka ity nitondra moto ity, raha ny fanamarihana nandeha. Nifamonjena nentina tany amin’ny Hopitaly, ary nisy aza ny resaka nivoaka fa namoy ny ainy, saingy tsy mbola ofisialy io tamin’ny ora nanoratanay. Ny resaka ambangovangony tsy ofisialy voalaza fa avy amin’ireo nanatri-maso no nilaza, fa moto scooters miisa 2 no nifanenjika 500 metatra mialohan'ny nitrangan'ny loza. Nisongona fiara tamin'ny havia sy havana sady nanapaka ka saika efa voadona ireo moto ireo. Nanohy ny fifanenjehana nefa ireo ka noho ny tonga teo amin'ny toerana nitrangan'ny loza eo amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka no tojo fiara iray nisy fahasimbana tamin’ny sisin-dàlana na "en panne" izay nanao "feu de détresse " no nohitsiany, ka nifatratra teo, raha ny fanazavana ambangovangony vonjimaika. Tombanana ho any amin'ny 80km/ora ny hafainganam-pandehany, hoy hatrany io tatitra io. Ny fanadihadiana no tena mamaritra ny tena zava-nitranga satria voalaza fa efa tonga nijery ifotony ny polisy eo anivon'ny BAC na « Brigade des Accidents de la Circulation » misahana ny lozam-pifamoivoizana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT