Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina

Nandriaka indray ny rà tany amin’ny RN2


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany amin’ny RN2,

afaka kelin’i Mandraka raha avy any Toamasina, omaly tokony ho tamin’ny 4ora tolakandro. izay nitranga tamin'ny RN2. Fiara taksibrosy marika sprinter taksibrosy mampitohy an’i Moramanga sy Antananarivo laharana 1119 TBG an’ny Koperativa Mami sy kamio lehibe iray laharana 0047 TAF avy aty Antananarivo voalaza fa tapaka « rotule » no nifandona teo amin’ny PK 66 + 500 Mandraka, kaomimina Ambatolaona, Distrikan'i Manjakandriana. Nivadika ity taksibrosy ity, ka maro be ireo naratra. Nisy ireo olona nihapatrapatra nifampisokirana avy tao anatiny, izay voa mafy ny ankamaroany, nisy ny tsy nahatsiaro tena. 1 namoy ny ainy ,10 naratra mafy, raha ny vaovao azo tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany hariva. Nentina tao amin'ny Tranom-paty CHRD Manjakandriana ny nofo mangatsiak'ilay namoy ny ainy. Efa eo am-pelantanan'ny mpitandro ny filaminana kosa ny mpamilin'ilay kamio. Tsy vao sambany ny loza mahatsiravina amin’ny RN2 izay isan’ny be mpampiasa indrindra eto Madagasikara, raha tsy hilaza an’ilay tranga mitovitovy amin’izao ny aogositra 2023 teo Marovoalavo, izay nisiana fiara taksibrosy roa nifanehitra tamin’ny kamio, ka olona efa ho am-polony no namoy ny ainy tao anatin’izany. Ilaina hatrany ny mitandrina satria ny làlana ratsy sy malama noho ny fotoam-pahavatra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT