Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena faha-7 niala an’i Vinaninkarena ny tolakandron’ny alarobia tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany.
Fianakaviana iray minibus Mazda avy ao Andranomandevy-Antsirabe, handeha handevina no niharam-boina rehefa nidina ny fidinana Andohanakoho, hiditra an’i Manandona iny. Somary nandeha mafy ny mpamily ilay fiara ka tsy tafajanona rehefa hiditra ilay tetezana ka dia nidona tamina fiara “sprinter” avy any Atsimo izay efa tafavoaka teo amin’ilay tetezana. Ny loza dia saika latsaka tany ambany tetezana izy ireo raha tsy voatohan’io fiara iray io. Naratra mafy vokatr’izany ny olona dimy kazazany iray. Mbola arahi-maso ao amin’ny hopitaly Atsimo izy ireo ka arahi-maso akaiky ny vehivavy iray izay voadona mafy any amin’ny lohany. Olona dimy hafa ihany koa no naratra ka rehefa nahazo ny fitsaboana tandrify azy avy dia nalefa nody. Nieren-doza kosa ny vehivavy iray mitondra vohoka izay nipetraka teo akaikin’ny mpamily. Tsy nisy naninona ihany koa ny mpandeha rehetra tao amin’ilay fiara “sprinter”.
Caius R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.