Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana - By Pass Tsy nety nentina tany amin’ny hopitaly ilay naratra


  • Alarobia 16 Jona 2021

Ela ny ela fa ilay olona naratra mafy indray no tsy nety nentina teny amin’ny hopitaly rehefa tsy nandositra no sady nanana fandavan-tena ny hanao izany ilay

 

 

 mpamily. Io no zava-nitranga teny amin’ny By pass afak’omaly tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany. Bisikileta iray avy any aoriana nandeha mafy no nisongona fiara 307 break iray teo aloha ka tafasaoty teny amin’ny parabrise vao nihakapoka tamin’ny tany. Vaky vokatr’izany ny lohan’ilay lehilahy nitondra bisikileta saingy mbola afa-nitsangana ihany izy. Rehefa nampidirina tao anatin’ilay fiara nandona azy ny lehilahy nandritra izany dia nisaoty avy eny amin’ny varavarankely indray ka voatery niantso ny mpitandro ny filaminana ilay mpamily. Anisan’ny tena tebitebin’ireo nanatri-maso moa ny mety hamohizan’ity lehilahy nitondra bisikileta ity tampoka ny ainyamin’ny tsy hampoizina noho ny dona mafy nahazo azy. Lehilahy iray nitondra bisikileta ihany koa omaly folakandro no nodomina fiara karetsaka tetsy Anosibe ka saika tsy afa-nitsangana.

Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT