Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Avy amin’ny tsy fetezan’ny fiara avokoa ny ankamaroany


  • Zoma 18 Mey 2018

Avy amin’ny tsy fetezan’ny fiara avokoa amin’ny ankapobeny no antony mahatonga ireo lozam-pifamovoizana eto amintsika. Lohalaharana amin’ireny ny tsy fikojakojana ny fiara, hoy Razafindrakoto Patrick, tale ara-barotra eo anivon’ny quick lane.

Eo ihany koa ny fampiasana ireo karazana kojakoja tsy izy ankoatra ny tsy fahaizana mametaka araka ny tokony ho izy ireny kojakoja ireny. Ny aina anefa tsy ananam-piry, hoy hatrany ity tompon’andraikitra iray ity, antony nanosika azy ireo hanokatra ny ivontoerana quick lane manakaiky ny tobim-piantsonan’ny taksibrosy etsy Andohatapenaka. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, izay manana tanjona hampihena ireo karazana lozam-pifamoivoizana eto amintsika, indrindra fa any amin’ny lalam-pirenena. Tsiahivina fa isika eto Madagasikara no manana ny ivontoerana quick lane voalohany aty Afrika  izay efa miparitaka amina toerana enina ankehitriny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT