Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana an-dalambe Ankizy 10 isan’andro no mahita faisana eto Madagasikara


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Mbola ambony dia ambony ny tahan’ireo olona lasibatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Ankizy miisa 10 isan’andro no lasibatr’izany eny am-pandehanana hamonjy sekoly eto Madagasikara raha mitotaly 1,3 tapitrisa isan-taona kosa ireo mamoy ny ainy maneran-tany. Ireo  tanora 15 ka hatramin’ny 29 taona no tena maro an’isa mamoy ny ainy. 20 ka hatramin’ny 30 tapitrisa kosa ireo mitondra takaitra tsy fidiny sy miaina anaty horohoro lava. Nivoitra ireo omaly nandritra ny tatitr’i Biova Agbodou, tale jeneralin’ny orinasa Total Madagascar izay hiara-kiasa akaiky amin’ny fikambanana ABCD sy ny OMS sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena amin’ny fanatanterahana ilay tetikasa  fiarovana ny aina eny am-pandehanana. Ankizy miisa 12.500 mpianatra amina sekoly ambaratonga voalohany miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana miisa 30   any amin’iny lalam-pirenena  faharoa iny no hiantefan’izany.  Tanjona ny hanofanana ireo ankizy mpianatra ireo ireo fihetsika tokony hatao rehefa hiampita arabe, izay arahina fizarana fitaovana toy ny boky…Tsiahivina moa fa efa tamin’ny taona 2014 no nanatanterahana ity tetikasa ity teto amintsika  ireo mpiara-miombon’antoka ireto ka ankizy mpianatra manodidina ny 35.000 isa no efa nahazo tombontsoa amin’izany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT