Lozam-piarakodia tany Ilaka Centre

Olona miisa 2 no maty, 18 naratra


  • Alakamisy 19 Oktobra 2023

Fiara fitateram-bahoaka na “Taxi-brousse” Sprinter avy any Ambositra hizotra ho any Sambava

no nifandona tamin'ny fiara vaventy an'ny orinasa Star avy any Ambatolampy handeha ho any Manakara, omaly, tokony ho tamin'ny 3 ora folakandro, tao Mahatsanda kaominina Ilaka Centre, distrikan'Ambositra, raha ny fampitam-baovao voaray. Miisa 2 no maty ka ny mpamily ilay fiara sprinter ny iray. Mpandeha vehivavy kosa ny iray. Mpandeha miisa 18 no naratra mafy. Efa nahazo fitsaboana tao amin'ny CSB 2 Ilaka Centre ireo. Nisy ny fahasimbana goavana teo amin'ilay fiara Sprinter mpitatitra olona sy ilay fiara vaventy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany
. J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT