LOZAM-PIARAKODIA

Namoy ny ainy i Tahiry Sambehafa


  • Alarobia 02 Jolay 2025

Nodimandry omaly i na Sambehafa Tahiry na i Samba Mikaroka

no nahalalana azy tamin’ny sehatry ny skoto. Filohan'ny fikambanana Mada Omby, taorian'ny nianjeran'ny fiara 4x4 marika Toyota Fortuner izay nitondra azy raha avy aty Antananarivo hiazo an'i Betafo. Raha tsiahivina kely dia latsaka tany anaty hantsana feno rano ity fiara nitondra an'Itompokolahy ity rehefa niala ny lalana. Tao Morarano, 6 km miala an’Ambatolampy, lalam-pirenena fahafito no nitrangan'izany loza mahatsiravina izany vokatry ny olana ara-teknika nahazo ilay fiara, raha ny tombana. Ilay mpamily no voasikotra voalohany tao anatin'ilay fiara raha ora vitsy taty aoriana vao azo ny iray ambiny. Ireo mponina teny amin'ny manodidina no nanampy azy ireo. Na izany aza maty ihany itsy voalohany raha araka ny vaovao farany voaray. Tafakatra 2 araka izany izy ireo no namoy ny ainy. Tsiahivina moa fa fikambanana iray misahana ny famatsiana omby eto an-drenivohitra ny Mada Omby. Efa an-taonany maro no niandraiketan'Itompokolahy izany andraikitra izany fony fahavelony. Mpandraharaha tanora isan’ny nisongadina sy niandratra, ary nivelatra sy nifampizara traikefa taty Afrika hatrany Eoropa sy ny maro hafa i Tahiry Sambehafa. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany izahay eto amin'ny Gazety Tia Tanindrazana.
Pati
Légende : Ny FIlohan'ny Madaomby fony fahavelony sy ilay 4x4 nitondra azy tra-doza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT