Fifamoivoizana

Lozam-piarakodia Mahazo vahana ny tsy firarahiana traboina


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Tsy any amin’ny Faritra ihany fa hatreto Andrenivohitra, tsy miraharaha ireo maratra ny mpanatri- maso fa miapanga tena maka sary no mahamaika.

 

 

 

 Tsy ao an-tsain’izy ireo anefa fa azo enjehina

amin’ireny sary amin’ny tambazotran-tserasera ireny izy raha mamoaka sary fa tsy mandray an-

tanana olona tra-doza. Ny fanabeazana maha-olompirenena tsy ampy moa ny lalana goragora ka mila

mandray andraikitra ny tandrify izany. Fitadiavana “j’aime” fa tsy avotr’aina no mahamaika ny

mpandalo. Manamafy izany ny polisin’ny Toliary. “Toe-javatra mampalahelo amin’izao, ny nahamay

ny sasany dia ny mitifitra sary ireo olona nihitsoka tao ambany fiara fa tsy nisy mihitsy namonjy

izany”. Io no vaovaon’ny polisim-pirenena mikasika ny lozam-piarakodia izay nitranga teo akaikin’ny

Ave Maria Toliary, tamin’ny faran’ny herinandro ambony. Olona efatra no naratra noraofin’ny fiara

marika “Renault kangoo” izay mamo olona rehetra sy ny mpamily tao anatiny. Hadino tanteraka ny

fandraisana an-tanana ireo tra-doza izay didian’ny lalana velona ka mahavoasazy fa ny

fanapariahana izany amin’ny tambazotran-tserasera no vaindohan-draharaha ho azy ireo, mba ahazo

sitraka amin’ilay vaovao. Ireo mahita izany koa tsy misy mangoraka fa mbola “j’aime”no alefany, tsy

misy sahy manontany raha novonjeny ilay tra-doza. Mahazo vahana ny fitazanana fotsiny ireo

maratra. Vao ny zoma tolakandro teo, tetsy amin’ny Rocade Tsarasaotra no nisy lehilahy iray nitsirara

tsy nahatsiaro tena niaraka tamin’ny môtô. Niala mpandeha an-togotra no nahavoa azy nefa dia

nojeren’ilay saika voadonany fotsiny sy ireo mpandeha hafa ary ny fiara maro nandalo nandritra ny 3

minitra talohan’ny Jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny

Zandarimariam-pirenena na ny SEG izy. Nentin’ity mpitondra fanjakana ity teo amin’ny OSTIE

Anosivavaka avy hatrany izy ka dia mailaka ery ireo mpitsabo sady maimaim-poana koa izany. Mbola

niverina naka ny môtô koa ity manamboninahitra sy manam-pahefana eo anivon’ny Zandarimariam-

pirenena ity. Sady namonjy ny tra-boina ny SEG no nandefa ny vaovao tamin’ny tambazotran-

tserasera ny mpitandro filaminana.

 

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT