Fifamoivoizana

Loza tetsy Analakely Karana 2 tapa-tongotra sy vaky loha


  • Alarobia 16 Oktobra 2019

Teratany karana anankiroa nandeha moto andaniny, ary teratany sinoa nitondra fiara ankilany no tra-doza tetsy Analakely omaly.

 

 

Teo amin’ny sampanana “4 chemins Socota housse no nisehoan’ny loza. Tapaka ny tongotr’ilay vehivavy teratany karana, ary vaky loha kosa ilay lehilahy. Tsy nisy kosa ny aina nafoy, fa ny fahavoazana no nampivarahontsana satria tena tapaka hatramin’ny taolana ny tongotr’ilay karana vavy raha ny fahitana azy. Mafy ny fifandonana ary teo ihany dia nizara roa ny tongotr’ilay ramatoa izay mbola nahatsiaro tena ihany na dia kiriako aza nijery ny ranjony. Niezaka nanampy ny olona kanefa tsy nisy azo natao firy satria nikirozaroza sisa ilay tongotra. Notazomina ao amin’ny polisy ilay sinoa mpamily. Heverina fa nisy ny fandehanana mafy sy ny tsy fifandeferana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Mety teo ihany koa ny tsy fahalalana na tsy fahafehezana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ka miteraka ny loza tsy ampoizina tahaka izao. Ilaina hatrany ny mitandrina satria ny aina tsy hananam-piry.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT